Politique

Tonton Ambroise Miantso ny tafika afrikanina hampandry tany


  • Talata 16 Novambra 2010

Misy mpikarama an’adin’ny FAT miketrika korontana goavana eto Madagasikara, hoy i Tonton Ambroise, mpitarika ny antoko Front Républicain Démocrate Légaliste na ny FRDL.

Ireo tombontsoan’ny vahiny sy ny tompon-tany dia ho lasibatr’izany herisetra izany avokoa, araka ny fanazavana ka avy eo dia ny mpanohitra no hibaby ny heloka tsy nataony. Manoloana izany indrindra no iantsoan’i Tonton Ravonison ny Tafika Malagasy hanohana ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina mba hampihatra ny CPX amin’i Afrika. Raha tsiahivina dia ny taona 2007, nandritry ny fihaonana tany Lisbonne no nifaneken’ireo mpitondra fanjakana Afrikanina sy Eoropeanina momba ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka politika. Fifanarahana miisa valo no voasonia tamin’izany ka ao anatin’io ny sehatry ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana.

Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tafika amin’ny fitantanana krizy, sy ny fanohanana ny Force Africaine en Attente na ny FAA. Araka ny fahitan’i Tonton Ambroise dia tokony hampiharina haingana eto amintsika io fifanarahana io. Mangataka amin’ireo masoivoho vahiny ny FRDL mba hihetsika sy hanohana ary hanamora sy hanafaingana ireo fepetra maika hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana mba hanafahana ny vahoaka Malagasy amin’ny jadona izay mitady hivadika ady an-trano. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain Démocrate Légaliste na ny FRDL

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT