Politique

Tonton Ambroise Miantso an’i Mangalaza hanangana ny governemantany


  • Talata 09 Martsa 2010

Manoloana ny fivadibadihan’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara amin’ny tsy naharaikitra ny dinika tokony ho niarahan’ny filohan’ny ankolafy efatra : Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Andry Rajoelina tany Addis Abeba hatry ny omaly dia nandroso tolo-kevitra miendrika fampieritreretana ny ankolafy rehetra ny «Mouvance Légaliste» tarihin’i Tonton Ambroise mba tsy hiantraika amin’ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa ny sazy hampiharin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Araka izany dia niantso, antso farany, amin’i Andry Rajoelina ny antoko Front Républicain et Démocrate Légaliste miaraka amin’ny «Mouvance Légaliste», tarihin’i Tonton Ambroise «hampihatra haingana, mialoha ny 17 martsa ny satan’i Maputo». Tetsy ankilan’izay dia miantso an’i Mangalaza Eugène, Praiminisitra nifanarahan’ny ankolafy efatra ary nankatoavin’izao tontolo izao, hanangana tsy misy hatak’andro ny governemantan’ny firaisam-pirenena ihany koa i Tonton Ambroise. 

Raha misy ny olana amin’ny fanatanterahana ireo soso-kevitra ireo, hoy ny mpitarika ny «Mouvance Légaliste» dia tokony hanao fanambarana ho ren-tany ho ren-danitra i Andry Rajoelina, miantso fitsapan-kevibahoaka hakana ny hevitry ny Malagasy na hampiharana na tsia ny Maputo, dia mazava ny resaka fa tsy tokony ho sorona amin’ny fizirizirian’olon-tokana na ny fanapahan-kevitra ankolafy tokana ny vahoaka malagasy. Na miala tsotra izao izy, Andry Rajoelina, fa tsy mahefa mitantana ny tetezamita iarahana sy andraisan’ny rehetra anjara. Nambaran’i Tonton Ambroise fa nampahafantariny ireo mpanelanelana iraisam-pirenena ny tolo-kevitr’izy ireo, ary nampahalalany ireo lohandohany amin’ireo ankolafy politika efa niara-nidinika hatramin’izay, koa dia ho hita eo ny tohiny. Matoky ny «Mouvance Légaliste», fa raha ao anatin’ny tsirairay ny fitiavan-tanindrazana, ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy dia hivaha ny olana.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT