Politique

Tonton Ambroise Manolo-kevitra hanaovana «Fihaonamben’ny mpanao politika»


  • Zoma 23 Jolay 2010

Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny ezaka fitadiavam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy izao i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Légaliste) sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste» rahateo.

Nisy ny taratasy nalefany ho an’i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena nanehoany ny hevitry ny antoko sy ny ankolafy tarihiny ary nandrosoany tolokevitra ihany koa. Nambarany tamin’ny taratasy niainga avy any Thionville, Frantsa ny 21 jolay fa miombona fijery amin’ity filoha mozambikanina teo aloha ity ny tenany amin’ny hivoahana amin’ny krizy, fa mangataka kosa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Vondrona Afrikanina ary ny SADC hiteny ny tena marina ary hiasa mifanaraka amin’izany. Mba hisian’ny fahatoniana politika sy hampirindrana ny fiainam-piarahamonina dia nanamafy ny fitakiany ny hamoahana am-ponja ireo gadra politika rehetra, ireo mpanao gazety ary pastera sy ireo izay nofonjaina tamin’ny fomba tsy mazava i Tonton Ambroise. Mikasika ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy dia mihevitra ity farany fa mivoatra ny raharaha, koa miohatra amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia tsy hahavaha ny krizy raha mbola ny ankolafy efatra irery. Noho izany, araka ny hevitr’i Tonton Ambroise dia tsara tohanana ny finiavana hikatsaham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy.

Niantso ny fanomezan-tanana avy an’i Chissano ny filohan’ny FRDL mba hahafahana mikarakara Fihaonamben’ny mpanao politika tsy manavaka, fa afaka mandray anjara ao avokoa ny filohana antoko politika rehetra, ireo filohan’ny ankolafy politika rehetra na ny solontenany. Ho antoka eo anatrehan’ny Malagasy amin’ny fahatanterahan’izany, tsy mitanila, i Chissano, hoy i Tonton Ambroise raha miaraha-misalahy amin’ny fandaminana sy fandrindrana io Fihaonambe io. Tazomina ny foto-kevitra ankapobeny nitondrana ny dinika tany Maputo nahazoana ireo fifanarahana politika samihafa, ka ny vokatr’io Fihaonambe io no tokony hananganana ny tetezamita iaraha-mitantana sy andraisan’ny rehetra anjara, ka hametrahana ireo andrimpanjakana sy rafitra samihafa, hamerina hamaky ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo, raha misy fanitsiana tokony hatao, hanorenana ny Repoblika fahefatra. Ho an’i Tonton Ambroise sy ny «Mouvance Légaliste» tarihiny dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena no tokony handray an-tanana ny fandaniana manontolo amin’ny fanatanterahana io Fihaonamben’ny mpanao politika izay heverina fa hitondra mankany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana solombavambahoaka andraisan’ny rehetra tsy misy ankanavaka anjara, mangarahara ary malalaka. Tao anatin’ny roa herinandro teo izao dia fantatra fa antoko politika telopolo mahery eo no mivory tsy tapaka eny Antsahavola eny mandinika ny hahafahana manao Fihaonambe toy ity heverin’ny FRDL sy ny « Mouvance Légaliste » fa tokony hatao ity, hivoahana amin’ny krizy, satria amin’izy ireo dia olana politika no misy eto ka mila vahaolana politika.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT