Politique

Tonton Ambroise Fotoana izao handraisana andraikitra


  • Talata 13 Aprily 2010

Anatin’ny kihon-dalana lehibe ny firenena ankehitriny. Herintaona mahery izao tsy manam-pivahana ny krizy nateraky ny fandrombaham-pahefana notarihin’i Andry Rajoelina sy ireo andia-miaramila nioko tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana teto.

Toa tapi-dalan-kaleha ny mpanao politika raha ny fahitana azy. Na izany aza dia misy ihany ireo mpanao politika tsy mandry andro tsy mandry alina mikaroka ny vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Eo amin’izay indray, ho an-dry zareo ao amin’ny “Mouvance Légaliste”, tarihin’i Tonton Ambroise dia mihevitra izy ireo, fa tonga ity ny fotoana tokony handraisan’ny miaramila andraikitra manoloana ny firenena sy ny vahoaka, ka hananganana governemanta iraisan’ny miaramila sy sivily hamaranana izao krizy izao. Araka ny fanazavan’i Tonton Ambroise dia telo na efa-bolana ihany raha ela indrindra no hiasan’io governemanta io ka tsy tokony handray anjara ao anatiny ny olon’ny ankolafy efatra sy ireo sivily na miaramila nandray anjara mivantana tamin’ny fanonganam-panjakana teto ny taona 2009. Tokony hifanekena izany fepetra izany, hoy ity mpitarika ny “Mouvance Légaliste” ity, mba hahazoana ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena. Mikasika izay indrindra dia ny foto-kevitr’ireo fifanarahana politika sy ny satan’i Maputo no itantanana ny tetezamita mandritra io fe-potoana io, hoy ihany izy. Iraka hampanaovina io governemanta io ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana sy ny sata repoblikanina, ny fampanajana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia izay mitohy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana momba ny famoahana ireo gadra politika. Etsy ankilan’izay anefa dia nofaritana koa io fe-potoana telo na efa-bolana io mba hahafahan’ireo ankolafy efatra niara-nanao sonia ny satan’i Maputo sy ireo ankolafy politika hafa, hifanarahan’izy ireo amin’ny fikarohana vahaolana mitondra any amin’ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena, tarihin’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, Mangalaza Eugène. Hisy mpikambana 31 io governemantan’ny firaisam-pirenena io, ka hahitana toerana Praiminisitra lefitra telo, miampy minisitra 28. Valo volana raha ela no faharetan’ny fotoam-piasany.

Nanamarika i Tonton Ambroise fa na ny governemanta iraisan’ny sivily sy ny miaramila na ny govenemantan’ny firaisam-pirenena, ny iraisan’izy ireo dia samy hifototra sy hanao ho zava-dehibe ny satan’ny tetezamita sy ireo fifanarahana politika vita sonia tany Maputo. Mety hasiam-panitsiana raha ilaina izany, amin’ny famahana ny krizy sy hirosoana any amin’ny Repoblika faha-4. Efa hisantatra sahady ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ihany koa ireo governemanta ireo, ary ny fametrahana ny fototra hahafahana miroso amin’ny fanatanterahana fifidianana malalaka, mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara. Ary ny mpikambana ao anatin’ireo governemanta ireo dia manaiky fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana, filoham-pirenena indrindra indrindra. Raha ny soso-kevitr’i Tonton Ambroise dia ampiarahina ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana depiote, tsy hisian’ny fandaniana be loatra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT