Politique

Tonton Ambroise “Efa eto Madagasikara ny Interpol”


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Nanambara i Tonton Ambroise, mpitarika ny «Mouvance Légaliste» sady filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Libéral) nandritra ny tafa nifanaovana taminy omaly fa manara-maso ny fandehan-javatra rehetra miseho eto Madagasikara, indrindra izay mety ho fihoaram-pefy na herisetra ny Interpol na polisy iraisam-pirenena.

Araka ny filazan’ity mpanao politika ity ihany dia efa ho tapa-bolana izao no eto Madagasikara ireo polisin’ny Interpol ireo.Fa mikasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny dia nampiaka-peo i Tonton Ambroise manoloana ny ramatahora ataona andian’olona sy fisambotsamborana miseho tato ho ato. Lasibatr’izany rahateo moa ny tenany, izay ambarany fa misy fikasana hisambotra azy omaly. Hentitra i Tonton Ambroise nilaza fa tsy fotoan’izany izao, indrindra fa fanjakana sady tsy marin-toerana no tsy misy fototra ara-dalàna ijoroana no eto. “I Andry Rajoelina no nilaza ampahibemaso raha niverina avy any Maputo I izy ny 9 aogositra 2009 fa nivalona hatreo ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo, ary mbola izy indray koa no namoaka didy hitsivolana ny 18 desambra 2009 fa foana tsy azo ampiharina ny satan’i Maputo, ka izay no ilazako fa tany tsy misy lalàna eto”, hoy i Tonton Ambroise, ka aza ampihorohoroana amin’ny basy ny vahoaka mba tsy hahatezitra ka hampirongatra azy. Tsy izany akory no hahatonga azy hatoky ny mpandrombaka fahefana.

Mikasika ny lalana hivoahana amin’ny krizy dia nanamafy ny tolokeviny ity mpitarika ny «Mouvance Légaliste» ity dia ny hirosoana amin’ny fifandimbiasam-pitondrana hametrahana rafitra ifaneken’ny rehetra hitantanana ny firenena mandritra ny telo na efa-bolana raha ela, fotoana hahazoan’ny ankolafy efatra sy ireo ankolafy politika hafa mikaon-doha amin’ny fametrahana ny governemantan’ny firaisam-pirenena izay hampihatra ireo fifanarahana sy sata vita sonia nandritra ny Maputo I. Nanamarika anefa i Tonton Ambroise fa iarahan’ny miaramila sy sivily mitantana io rafitra ifanekena taratry ny fifandimbiasam-pitondrana io, saingy tsy mandray anjara amin’izany kosa ireo sivily sy miaramila niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana nitranga teto tamin’ny taon-dasa. Matoky izy fa azo tanterahina tsara izany, raha samy manana fahavononana politika hikatsaka marina ny tombontsoam-bahoaka sy hanarina ity firenena ity ny mpanao politika Malagasy.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT