« Tsy rariny ary lavin’ny vondrona Mapar ny fangoronana ny haren’ny malagasy ».
Io no fanambarana fohy nataon’ny vondrona Mapar manoloana ny savorovoro niseho tany Soamahamanina ny alakamisy teo. Tsy ekena intsony ny fizarazarana ny tanin’ny Malagasy amin’ireo vahiny amin’ny fanomezana alalana azy ireo hitrandraka amin’ireo toerana feno harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Miombona amin’ireo rehetra mitaky fanovana manoloana izao zava-misy izao ry zareo, ary miray feo amin’ny hetsika Malagasy mivondrona ho amin’ny fanovana ifotony na MMF.
Tsy rariny intsony
Tsy nitsitsy fitenenana ny Mapar omaly ary nafampana mihitsy ny fanehoan-kevitra teny Ambodivona. Na nilaza aza ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina fa tsy hanongam-panjakana dia tezitra amin’ny fitondran’ny HVM ka hanohana ny hetsi-panoherana rehetra miseho. Ny zava-mitranga amin’izao fotoana dia tohin’ny 2002 sy ny 2009 sy ny tolom-bahoaka rehetra tany aloha tany. Ny mahagaga dia tsy mety misintona lesona ny mpitondra manoloana ny zava-miseho. Ny zava-misy dia efa niteny ny mpitondra fivavahana sy ny fiarahamonim-pirenena ary vao haingana ny Sefafi fa tsy rariny intsony ny zava-misy eto.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.