Politique

Tonga Rajoelina Mikonokonon-javatra ny HVM


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Efa tonga eto Madagasikara tamin’ny faran’ny herinandro teo i Andry Rajoelina ary nihaona taminy teny an-tranony ny masoivohon’i Frantsa Véronique Vouland Aneini afak’omaly.

Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan’ny roa tonta saingy inoana fa misy fifamatorany amin’ny tontolo politika eto amin’ny firenena. Manana olana amin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny tenany ary miezaka mafy manenjika azy amin’ny fomba rehetra ny fanjakana. Efa nandeha ny resaka fa hosamborin’ny mpitondra ny tenany raha vao migadona eto noho izy ambara ho ao ambadiky ry Lylison sy ry Augustin Andriamananoro izay mbola karohina ankehitriny. Mety ho fifanarahana amin’ny fiarovana azy no anton’ny fihaonan’ny Filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny masoivoho Frantsay. Mitady hirika mafy amin’ny fomba hamelezana an’i Andry Rajoelina ny fanjakana noho izy anisan’ny adversera atahorana amin’ny 2018 toa an’i Marc Ravalomanana ka samy mbola tadiavina izay hevitra hamotehana azy ireo. Misy ny feo mivoaka ankehitriny fa kendrena holotoina amin’ny resaka fipoahana baomba tao amin’ny hotely A&C Ivato i Andry Rajoelina noho ny fotoana nahatongavany nifanojo tamin’io tranga teny amin’io hotely goavana an-dRazaimamonjy Claudine, olona akaiky ny filoha io. Mbola tantara mitohy ny fanenjehana ireo olona hatahorana amin’ny fifidianana ho avy. Tsy miteny sy tsy manao fanambarana politika goavana akory ry Andry Rajoelina sy ry Marc Ravalomanana dia efa miseholany ny kapa ranjo. Mety hanova zavatra ve ny resaka fampihavanam-pirenena izay hodinihina eny amin’ny antenimiera sa dia ho fotoana lany fotsiny toy ny teo aloha, ka mbola hanjaka ihany ny henjikenjika sy ny valifaty politika ?

 


 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT