Fifidianana malalaka tsy misy sakantsakana no andrandrain’ny rehetra amin’ny taona 2018.
Tsy takona afenina anefa ny kajikajy isan-karazany ataon’ny HVM hisakanana ireo kandida atahorana, anisan’ireny i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Raha samy nangina sy tsy dia re feo izy mianaka ireto, dia manomboka miteny, ary milaza tsy am-pihambahambana fa vonona ary samy milaza fa tsy misy azo sakantsakanana tsy hirotsaka izany eo. Tsy hay izay hambaran’ireo mpanao politika sy hery politika hafa, toa an’i Didier Ratsiraka, izay inoana fa mbola hitondra ny heviny atsy ho atsy. Toran-kovitra kosa ny HVM, ka tsy hay indray izay hafitsony manoloana izao toe-javatra izao. Resahina foana fa mbola enjehin’ny fitsarana i Marc Ravalomanana, ka tsy afaka ny hirotsaka hofidiana. Fitsarana mitanila efa tamin’ny andron’ny tetezamita no nanamelohana azy, ary heloka tsy mitombina fa kajy politika avokoa no antony, porofon’izany izy mbola miriaria toy ny olom-pirenena rehetra io. Ho an’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina kosa, dia mbola misy ny sakana tsy hahafahany mirotsaka, raha ny lalàna iraisam-pirenena no arahina. Mbola mitatao eo an-tampon-dohany mantsy ny voaraikitry ny Fifanarahan’i Cotonou, mandrara sy manenjika ireo olona tompon’antoka tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana. Tsy tokony ho afaka mirotsaka hofidiana ny olona efa maloto tamin’ny fandrombahana sy fakana fahefana tamin’ny fomba tsy ara-demokratika, ka izay no mety hahataraiky tanteraka an’i Andry Rajoelina, na dia efa niteny aza izy herinandro vitsy lasa izay fa tsy hisy hahasakana azy. Tsy hay anefa izay mety haloaky ny fifampidinihana sy ny fifanarahana politika mety hiseho, fa raha ny loharanom-baovao iray, dia mety hisy ny dinika hifanaovan’ireo mpitodra nifanesy 5 mirahalahy izay ahitana an’i Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary i Hery Rajaonarimampianina hatao any Frantsa ny volana martsa izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.