Politique

Tonga i Chissano Sosoa voatapo-drano ny FAT


  • Zoma 23 Jolay 2010

Nigadona omaly antoandro eto Madagasikara i Joaquim Chissano, filoha mozambikanina teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana isam-pirenena handamina ny krizy eto.

Nofihinina mafy, tsy nambarambaran’ny teo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny tamin’ny mpampahalala vaovao ny fahatongavany. Inona no antony ? Ny teo anivon’ny ankolafy politika tafiditra mivantana amin’ny dinika efa vita hatreto koa aza efa eto Madagasikara i Chissano vao nahalala ny fahatongavany. Fa ireo mpomba ny FAT kosa tetsy ankilany nitsaha-niketrika toa sosoa voatapo-drano raha nandre fa tonga anie i Joaquim Chissano e ! Tampoka ho azy ireo ? Na tiana na tsy tiana dia midika ho faharesen’ny FAT ny fahatongan’ i Joaquim Chissano eto. Ary henatra sy fahafaham-baraka ho azy eo anatrehan’ny mpiara-dia aminy, indrindra ireo olona teny amin’ny “Kianjan’ny 13 mey”, ny fitabataban’ireo mpikambana FAT tetsy Anosikely, izay nanao fanambarana an-tsoratra nalefan’izy ireo tany amin’ny governemanta hanao izay tsy hahatongavan’i Chissano eto. Maro koa ny teny sy fanasoketana natao ity olo-manankaja ity nataon’ny FAT sy ny mpomba azy. Nambara ho mpanakorontana, olon-dRavalomanana, mpanao kolikoly … Lasa lavitra noho izany mihitsy aza raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpomba ny FAT re tamin’ireo haino aman-jery sy gazety mpivoy izao fitondrana FAT izao, momba an’i Chissano. Tonga (tampoka) anefa ity farany, ary “mbola fiaran’ny ministeran’ny raharaham-bahiny indray aza no nitondra azy nefa nambara ombieny fa mpanakorontana i Chissano”, hoy ny pastera Edouard tao amin’ny Magro Behoririka omaly nampahatsiahy. Ny Rév. Satrobory koa nanampy tetsy andaniny tamin’ny fanontaniana hoe : “f’angaha tsy ‘persona non grata’ indray i Chissano ?”.

Tsy dia nanisy setriny ireny resabe nandeha ireny anefa ity vahiny ity raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Carlton omaly tolakandro. Ny hany nambarany dia rehefa avy nidinika tamin’ireo Iraka nalefany teto Madagasikara izy dia nanao tatitra tany amin’ny Vondrona Afrikanina izy ireo ary dia izao tonga eto Madagasikara izao “hijery ny vondrona tsy mifanara-kevitra sy ny vondrona hafa mba hijerena ny vahaolana amin’ny krizy”. “Ny olana misy dia an’ny Malagasy”, hoy i Joaquim Chissano ary nampiany fa “ny vahaolana dia torak’izany koa”. Ary tonga izy “hanampy ny Malagasy hamaha ny olana”. “Tsy midika anefa izany fa haverina hatrany am-boalohany ny dinika sy ny atrikasa izay hatao satria efa nisy ireo izay dinika efa natao”, hoy izy nanipika mazava. Efatra na dimy andro eo no haharetan’ny diany eto. Namory avy hatrany ireo ambasadaoron’ny firenena mpikambana amin’ny SADC eto Madagasikara ny tenany omaly. Hanomboka anio kosa ny fihaonany amin’ireo ankolafy politika sy fiarahamonina sivily ary sehatra hafa. Dia ho hita eo ihany ny tohiny !
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT