Politique

Tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana Anio no mety handray ny fitondrana ny miaramila


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Tao anatin’ny iray volana latsaka teo izay no niova be ny zava-nitranga teny anivon’ny miaramila. Nialoha ny fihaonan’ny miaramila sy i Andry Rajoleina teny Iavoloha tamin’ity volana mey ity no efa nitranga ity olana ity.

Niezaka nandamina ireo jeneraly saingy kivy tanteraka ny ankamaroan’ireo miaramila satria tsy mahavita inona ny FAT.

Tapaka ary fa hihaona ny roa tonta teny Iavoloha ny 12 aprily. 48 ora no nomen’ny miaramila an’i Andry Rajoelina hamahana ny krizy. Nibaboka anefa ity farany ka nagataka hatramin’ny faran’ny volana aprily teo satria mbola ho any Pretoria, hono, izy. Nanaiky tsy satry ireo miaramila na dia tsy tena vokatry ny fanapahan-kevitr’izy ireo aza izany. Tonga ny voalohan’ny volana mey dia tsy nisy inona tapaka fa notambazana seza na minisitera ireo miaramila. Tsy seza no ilainay, hoy ny maro tamin’izy ireo fa ny fandaminana ny firenena fialana amin’ny krizy. Nikatso teo ilay governemanta lazaina fa fanavotam-pirenena iarahan’ny miaramila sy ny sivily.
Nitohy ny disadisa, lany bala ny FAT. Ireo manamboninahitra miaramila etsy an-daniny mivory etsy sy eroa mandinika miala nenina amin’izay mety ho vahaolana. Tamin’ny herinandro no efa saika nihetsika ny miaramila saingy nisy iny fanambran’i Andry Rajoelina tsy hilatsaka iny dia nifampidinika indray izy ireo. Araka ny vaovao ary dia mety ho anio ny miaramila no handray ny fitondrana. Ny miaramila rahateo tsy hamela ny firenena ho latsaka ao anatin’ny ady an-trano vao handray andraikitra, hoy ireo manamboninahitra omaly. Ho hita eo, araka izany, ny zavatra hitranga anio. Asa, izay ve no tonga amin’ny hoe : ny tody tsy misy fa ny atao no miverina !
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT