Nanambara ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ny TFI na ny Tolona Fanorenana Ifotony fa hisy ny atrikasa izay atao ny zoma izao hametrahana ny rafitra fanorenana ifotony eto amin’ny firenena.
Efa maro, raha ny voalaza, ireo tekinisianina sy manampahaizana avy eny amin’ny anjerimanontolo namolavola izany mba hifanaraka amin’ny fomba tena mety hitantanana an’i Madagasikara. Marobe ireo te handray anjara ary dia omena sehatra manokana ireo tekinisianina. Marobe ihany koa ireo teboka ho dinihana fa ny fanorenana ny toekarena sy fitantanana kosa no tena himasoana. Ny antony, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity tolona ity, Joseph Yoland, dia mbola refesina amin’ny Euro sy dolara hatrany ny vola Malagasy nefa betsaka ny volamena eto. Haondrana fotsiny izany, hoy ny tenany, nefa tokony hanome vahana ny volantsika. Fehezan-dalàna sy lalàna manome vahana ny vahiny ihany koa no mbola misy eto ka izany rehetra izany no tokony ovana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.