Araka ny fampitam-baovaon’ny mpikambana ao amin’ny antoko Vahoaka Miray (Vami), Ghaby Vakiniadiana,
dia fiangaviana farany no hataon’izy ireo etsy Antaninarenina amin’ny fitondram-panjakana anio mba hametrahan’izy ireo fialana rehefa tsy mahavita azy kanefa tsy mety hihaino ny hevitry ny hafa. Anio no hanoloranay mpikambana ao amin’ny hetsika tolona fanorenana ifotony (TFI) ny tolo-kevitray amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay mivahiny eto mikasika ny fomba vaovao tokony hitondrana ny tany sy firenena hahatongavana amin’ny fanorenana ifotony, hoy izy. Tsy maintsy iverenana ny rafitra fokonolona. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiharana ny dinam-pokonolona. Ovaina koa ny rafitra sy ny olona mitondra ary tokony hiainga avy any amin’ny fokontany ny zavatra rehetra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.