Politique

Tolon’ny Vahoaka Malagasy Miantso ny depiote hanongana ny filoha


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Tolon’ny vahoaka Malagasy na To V M indray no anarana vaovao milaza ho manohitra ny tsy rariny afitsoky ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana.

 

 Tarihin-dRazafindratoha Olivier mpanao politikaizy ity izay nilaza fa mpiasam-panjakana ambony saingy mahatsapa ho manana adidy amin’ny firenena noho ny tsy azo anekena intsony ny toe-draharaha misy ankehitriny. Ny olona ao anaty fitondrana ihany, hoy izy, no hany tsy mahatsapa fangirifiriana amin’izao fiainana eto Madagasikara izao. Nanao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo ny tenany, mba hiara-kientana sy hiara-dia amin’izy ireo manomboka izao.

Naka namana ny miaramila

Hafatra anisan’ny nisongadina tao anatin’ny fanambarana nataon’ny tolona vaovao ny antso nataon’izy ireo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tandroka aron’ny vozona natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ianareo, hoy ny fanambarana. Tsy fidiny ihany koa ny mahazo anareo satria anisan’ny mikaikaika ihany koa ianareo aty ambadika. Efa hitanareo any anaty vilaninareo ihany koa izany. Niantso fiarahana manarina sy famerenana ny hasin’ny firenena moa izy ireo ary nilaza fa tsy aloha hananatra ny nenina. Nantsoiny koa ireo solombavamhoaka mba hitaky ny famerenana ny “motion de dechéance” mba hanalana ny filoha ankehitriny eo amin’ny toerany.


Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT