Manoloana ny filazana fa mpikarama an’adin’ny antoko misy ny filoham-pirenena ny mpitarika ny hetsika afo sendikaly,
Tolojanahary Maharavo na i Doudou, dia nanambara ny tenany fa be dia be ny olona nilaza ho mpanao politika sy manam-bola nitarika ny tolona nataonay, hoy ny tenany, fa tsy nahomby. Maninona, hoy izy, ny anay sy ny dinika fanavotam-pirenena no arahin’ny olona ? Tsy mifandray amin’ny filoham-pirenena velively aho fa raha tsy hoe migadra ve izany tsy ho marina ny zavatra lazaiko ? Maninona no tsy gadraina ireo ao amin’ny Mitsangana ry Malagasy izay tena mpitatatata an’izany ? Ho hitantsika eo izay mpamadika sy mpikarama an’ady fa ny fantatro dia ny hoe iza no olona sahy miteny na tsy manana porofo aza fa nandray vola tamin’ny HVM aho ? Efa manomboka fantatra, hoy izy izao, ireo olona tonga teny Iavoloha fa izahay kosa dia mbola vondrona politika anisan’ny mahantra eto ihany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.