Politique

Toliara Niditra birao Dr Hatimo Fiacre, Ben’ny tanŕna


  • Talata 29 Jona 2010


Araka ny vaovao dia niditra tao amin’ny biraon’ny kaominina Toliara renivohitra ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ao an-toerana, ny dokotera Hatimo Fiacre. Araka ny fanazavana, raha ny tokony ho izy dia ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fitsinjaram-pahefana, toy ny ditrika no tokony ho nametraka ity Ben’ny tanàna ity. Nihazohazo anefa ireto farany ka dia izao nohitsin’ny Ben’ny tanàna izao. Raha ny fahitan’ny mponina azy manko, dia karazan’ny natao fanahy iniana ihany ny tsy nahatongavan’ireo tompon’andraiki-panjakana ahafahana milaza fa misy fahabangana ny toeran’ny Ben’ny tanàna ka mora ny manatsofoka ny Pds efa nomanin’ny fitondrana. Na teo aza anefa izay paika izay dia ny an’ny Ben’ny tanàna no tonga aloha ka izao izy niditra tao amin’ny birao izao. Ny tolakandro dia efa nisy fihaonan’ny Ben’ny tanàna sy ireo lehibena sampandraharaha isan-tokony. Hatreto aloha dia tsy nisy fifandonana na koa fanoherana ny fidiran’ny Dr Hatimo Fiacre tao amin’ny biraony. Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ireo ben’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), antokon’ny fitondrana teo aloha ity Ben’ny tanànan’i Toliara renivohitra ity. Naaton’ny mpitondra FAT tamin’ny toerany nandritra ny telo volana izy farany teo ary kasain’ny FAT hosoloina. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT