Politique

Toliara Nanambatra hery ireo Olobe sy Tangalamena


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Mitombo isa hatrany ireo Olobe sy Tangalamena ary Raiamandreny amin’ny tanàna ao Toliara miara-dia amin’ny hetsika fitakiana ny famoahana azy fito mianaka nosamborin’ny Emmo-Reg ary notanana am-ponja vonjimaika, taorian’ny nisian’andian’olona nanimba ny ampahan’ny fitaovan’ny radio Soatalily, radiom-paritra ao Toliara.

Raha fito teo izy ireo teny am-piaingana dia nitombo 13 izany ary ankehitriny dia efa mananika ny roapolo ireo olona tsongain’olom-bolo ireo no mivondrona manambatra hery. Mivory matetika ao amin’ny tranon’ny ministry ny Atitany tao amin’ny governemanta Roindefo, Masimana Manantsoa izy ireo mandamina ny paikady ho amin’izany. Anisan’ny hetsika voalohany nataon’izy ireo ny namoahany fanambarana iraisana, niarahan’i Tsimilamaro Vahinisoa, Relimberaza Mahafinaritse, Ramanjakamiadana Hery Jean Jacques, Rabetsizaraina, Hardi sy ny hafa, nanao sonia ny 15 oktobra lasa teo, milaza fa “rehefa natao ny fifanatrehana ny faha-20 septambra 2010 tao amin’ny tribonaly Toliara dia tsy misy na dia iray amin’ireo mpiasan’ny Radio Soa Talily mitana ireo fitolahy mianaka (Rabeony Mandridake, Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso dit Marin, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita ary Bonnaure Sazalahy), voafonja vonjimaika ho tompon’antoka tamin’io».

Noho izany ho izy ireo dia «tsy rariny, tsy ara-dalàna ny fitazonana azy ireo ao am-ponja, ka takianay tsy misy hatakandro ny fanafahana azy ireo tsy misy fepetra». Milaza ireo raiamandreny ireo fa tsy tompon’andraikitra amin’ny korontana mety hitranga ao Toliara raha mbola miziriziry mitazona azy fitolahy mianaka ireo ao am-ponja ny fitondram-panjakana FAT. Araka ny fantatra dia hivory maika izy ireo anio maraina, ary hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo aorian’izay amin’izay hetsika manaraka hatao. Raha ny resaka mandeha dia mety hafanafana indray ny tanànan’ny masoandro amin’ity faran’ity herinandro ity.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT