Politique

Toliara Mirehitra indray ny tanŕna


  • Zoma 01 Oktobra 2010

Mafanafana tao Toliara omaly. Andian’olona maro no nirohotra teo anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana, niara-dia tamin’ny Herim-bahoaka Mitambatra mitaky ny hamoahana ny havany sy ireo olobe ao an-tanŕna, miisa fito, nosamborin’ny FAT ary notanana am-ponja vonjimaika any an-toerana taorian’ny famoriam-bahoaka nitranga tao Toliara ny 27 aogositra lasa iny.

Ny Pr Mandridake Elimberaza no namory vahoaka tamin’io andro io. Naparitaky ny Emmo-Reg tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Nisy andian’olona nanararaotra ny savorovoro ka nirodorodo tao amin’ny radio Soatalily ary namotika ny ampahan’ny fitaovan’ity radiom-panjakana ity. Taorian’izay dia raikitra ny hazalambo ireo lohandohany nitarika io famoriam-bahoaka io. Valo no voasambotra ka ny fito amin’izy ireo nampidirina am-ponja avokoa, dia Rabeony Mandridake, Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso dit Marin, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita ary Bonnaure Sazalahy. Nakorohina mafy saingy tafaporitsaka any an-dafy ny Pr Mandridake Elimberaza, araka ny fanambaran’ireo manodidina azy. Ankehitriny, miakatra ny feo, ary mahery vaika ny hetsiky ny Herim-bahoaka Mitambatra mitaky tsy misy fepetra ny hamoahana sy famotsorana madiodio azy fito mianaka. Mifanotona amin’ny fitokonan’ny mpiasan’ny fitsarana tarihin’ireo mpitsara ny hetsika. Tsy nisy birao nisokatra raha ny omaly. Efa teny ho eny ny Emmo-Reg, fa tsy nampihemotra ny olona, izay hita ho mafana ra raha ny fisehony omaly. Somebiseby be ihany ny olona ao Toliara amin’izao fotoana samy miandry izay ho tohin’ity raharaha ity. Hitohy anio rahateo ny hetsika.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT