Politique

Tolagnaro Mifanindry aloka ny lehiben’ny Faritra sy ny PDS


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Vaky ambatolampy, tsy takona afenina intsony ny disadisa anaty eo amin’ny lehiben’ny Faritra Anosy, Randriatefiarison Guillaume Venance sy ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Tolagnaro (PDS), Zafinandro Armand.

 Raha nijanona ho resaka izany tao anatin’ny fanomanana ny tsingerin-taona faha-51 niverenan’ny fahaleovantena dia mibaribary kosa rehefa tao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Resaka fifampitsabahana andraikitra tao anatin’ny fanomanana iny fety iny no nampihombo ny disadisa efa niotrika ela teo amin’ny roa tonta. Isan-taona dia ny Kaominina no manao izay hahatomombana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Niditra an-tsehatra anefa ny Faritra ka teo koa no nitranga ny disadisa.

Misy ny malailay fonosana. Ny zavatra hita dia tsy tazana ny PDS nandritra ny karnavaly nokarakarain’ny Faritra ny zoma lasa teo, fisantarana ny fankalazana ny fetim-pirenena tao an-toerana. Nanomana didim-pitondrana ny Farita fa andro tsy iasana io zoma 24 jona io tao Anosy. Nitohy tamin’ny hazakazaka rodobe nandraisan’ireo sampandraharaha samihafa ao Tolagnaro ny hetsika nokarakarain’ny Faritra ny sabotsy fa tsy mbola tazana koa ny PDS. Nandritra ny andron’ny 26 jona dia ny tamin’ny fotoana nisafo ny andian-tafika ny lehiben’ny Faritra vao nigadona ny PDS. Teo dia samy nanamarika ny rehetra fa tapaka ny tady eo amin’ny lehiben’ny Faritra sy ny PDS, ary dia manahy amin’ny ho fiantraikan’izany amin’ny fampandrosoana ny vahoaka. Nandrasana hanome voninahitra ny fetim-pirenena tao Anosy ny minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana fa tsy tonga.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT