Politique

Tokobe Telo Nampitandrina an’i Maharante


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Tontosa soa aman-tsara ihany ny hetsika «Hifikifika», karazana fomba entina nandiovana ireo mpikambana avy amin’ny Tokobe Telo nogadraina, na dia teo aza ny fanafihana natao tamin’i Sazalahy Tsianihy, mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Toliara.

Ny alakamisy hifoha zoma, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tokoa manko dia nisy andian’olona nanafika ny tranon’ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity. Tsy tratran’ireo andian’olona tao anefa izy ka ny omby telo izay natao hikarakarana ny hetsika «Hifikifika» no nalain’ireo mpangalatra. Raha ny vaovao, dia efa ora telo mahery taty aorian’ny nisehoan’ny halatra vao tonga ny mpitandro ny filaminana, izay mbola nilaza koa fa tsy manana fiarakodia hanenjehana ny malaso izy ireo. Vokany, ny olona no nandeha nanaraka ireo dian’omby. Ary dia, araka ny vaovao, dia tratra tany Belemoka, Toliara II ny dian’ireo omby. Ireo andrimasom-pokonolona tao an-toerana anefa nilaza fa tsy nahita izay nalehan’ireo omby telo, ny sefo kartie sy ny lefiny koa dia nanjavona tsy hita izay nalehan’izy ireo. «Misy fifandraisany amin’ny fisamborana anay tamin’ny alahady heriny sy ny fakana anay tao an-trano iny halatr’omby iny», hoy i Sazalahy.

Tontosa ny sabotsy 26 jona lasa teo ihany anefa moa ny «Hifikifika» na dia teo aza izany halatra omby izany, satria nividy omby mazava loha vaovao ny Tokobe Telo ary ny fokonolona no niaritory niambina ny omby. Ireo Foko 18, ireo rehetra tsy mankasitraka ny FAT no nantsoin’ny Tokobe Telo niara-nilanonana tamin’izy ireo ny sabotsy teo. Tamin’izany moa no nanaovan’ny Tokobe Telo antso ho an’ny fampihavanana ny Malagasy. «Raha mbola misy koa ny tsindry hazo lena sy ny fanafenana ny marina sy ny rariny dia hijoro hatrany izahay», hoy izy ireo. Nanome karazana fampitandremana koa ny Tokobe Telo fa «raha misy mahazo ny mpitarika ny Tokobe Telo sy ny ankolafy Ravalomanana dia tsy miala amin’i Maharante Jean de Dieu» izy ireo. Araka ny fanazavana manko, dia efa nisy karazan-zavatra toy izao niseho tany Toliara ny taona 2000 ka nahafatesan’ny filohan’ny antoko politika Fanasin’i Madagasikara. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT