Mihidy Magro, misolo Magro. Mikatona Ambohijatovo, misokatra Behoririka. Ao amin’ny Magro Behoririka indray no Ambohipihaonan’ny hetsika Madagasikara, ivondronan’ny ankolafy telo : Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary Zafy Albert Behoririka nanomboka omaly talata 13 aprily. Sahiran-tsaina ny mpitondra mahefa, fa arakaraka ny itadiavany tetika handravana ny fihetsiketsehana etsy sy eroa vao mainka mampiredareda ny hafanampon’ny olona, mitaky ny hampanjakana ny ara-dalàna sy ny fahalalahana. Fanina koa ny Emmo-Reg fa mba be ihany izay bala, baomba lakrimôzena nalefa izay fa tsy tana ary tsy hita horarana ny ankolafy telo. Vory maro tao Behoririka ny olona, indrindra ny vehivavy, na dia andro voalohany aza tamin’io talata io, izay talata gorobaka. Voaroba sy nopotehin’ny andian’olona efa voaomana ity tranombarotra lehibe ity, ny 27 janoary 2009. Io no hany tsy may tamin’ny Magro teto an-drenivohitra. Fanadiovana ny toerana no nisantarana ny fotoana omaly. Tonga teny an-toerana ry Révérend Satrobory, depiote Jules Andriamaholison sy Joachim. Ny fitaovam-piasana no tsy ampy miohatra amin’ny fahavitrihan’ny olona. Manomboka anio dia hitohy tsy miato ny fivoriana ao, araka ny fanazavan’ny filohan’ny TEZA, Rakotoamboa Jean Louis, izay nanamafy ny fa ny fampiharana ny satan’ny Maputo no hamarana ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.