Nangorompotsy Antsonjombe ny sabotsy 13 martsa raha vao nanao sioka tokana monja ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana nitaona ny Malagasy hivavaka mba hanjaka eto amin’ity Madagasikara ity ny fahamarinana.
Nampitsangam-bolo ny «mpitondra mahefa (autorité de fait)» ny firohotry ny olona, niakanjo fotsy ny ankamaroany, nanao tsy omby aloha nihazo an’Antsonjombe tamin’io sabotsy io. Na ireo mpitandro ny filaminana nalefan’izy ireo teny aza nisintaka tsimoramora nahita azy ireo, ny orana nitrahotraho koa menatra tsy nanembantsembana ny fisandratry ny vavaka niainga avy amin’io sehatra malalaka io. Nandeha mivantana tamin’ny radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny fizotry ny fotoana. Tsy vitsy tamin’ireo mpanampahefana no nanaraka izany, ankoatra ny tatitra nataon’ireo mpitsikilo nalefa teny an-toerana, izay nifanaretsaka tokoa. Manelingelina ny manampahefana ny fisehoan-javatra ka mikaroka izay fomba rehetra tsy hahafahan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manintelo amin’io toerana io intsony izy ireo. Roa ny zavatra mety hitranga. Voalohany, mifono vela-pandrika ny fanomezan-dalana nomen’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hampiasa ny kianja tao Antsonjombe. Noferan’ny Kaominina ho amin’ny 7ora marina ka hatramin’ny 12 ora antoandro ihany ny fotoana ahafahan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana nampiasa io toerana io tamin’ny sabotsy, fa hoe misy mampiasa indray ny toerana manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva io sabotsy io ihany, dia izany Vehivavy miaro ny fampiharana ny satan’i Maputo izany.
Ny lojikan’izay dia niandry ny Kaominina fa hisy fitsaharana kely mandritra ny ora roa teny Antsonjombe io sabotsy io dia miova indray ny mpisehatra. Tsy izay anefa no nitranga, fa nitohy hatramin’ny tolakandro ny fotoam-bavaka nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ary tsy nisy mpisehatra hafa nandimby azy intsony avy eo, fa rava. Noraisin’ny Kaominina ho tsy nanaja ny fifanarahana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ary ho sakana amin’ny fahazoany ny toerana amin’ny manaraka izany. Faharoa, tsy tongatonga ho azy ny niresahana ny hanamboarana toeram-pialamboly ao Antsonjombe nandritra ny filankevitry ny Minisitra notarihin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra ny alakamisy 11 martsa. Ny lojikan’izay dia hihazakazahana ny fametrahana ny vatofototra na vatofehizoron’ny ny asa fanamboarana izany eny an-toerana, dia hambara aorian’izay fa mikatona tsy azo ampiasaina Antsonjombe fa misy asa fanorenana atao eny an-toerana, ary dia veloma hatreo koa Antsonjombe.
Tsiahivina fa tetikasa nampanantenan’i Andry Rajoelina an’Antananarivo, tamin’izy nirotsaka ho kandida Ben’ny tanàna tamin’ny 12 desambra 2007 io toeram-pialamboly ao Antsonjombe io. Mbola adihevitra moa ny hoe fanamboarana fotodrafitrasa toy izany ve no mahamaika amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao ? Volan’ny Kaominina sa volam-panjakana koa no hanamboarana azy ? Na ny voalohany na ny faharoa, mbola baraingo ny hoe voatsinjon’ny tetibola ve izany ? Inona no laharam-pahamehana miohatra amin’ireo olana maro sy ny fitakiana sosialy miseho lany etsy sy eroa ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.