Naharitra iray ora ny fihaonan’ny filoha Sinoa Xi Jinping sy ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina tao amin’ny Lapan’ny vahoaka tao Beijing omaly.
Nisy ny dinik’asa natao teo amin’ny delegasionin’ny firenena roa tonta ary dia nofaranana tamin’ny fanaovana soniam-piaraha-miasa avy hatrany. Hiditra ao anatin’ilay fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny « Ceinture economique de la route de la soie » i Madagasikara. Resaka fampandrosoana ara-toekarena hiarahan’i Sina, ny firenena Aziatika sy i Afrika izy ity ka maro ny endri-piaraha-miasa ao anatiny. Anisan’ny asa goavana iarahan’i Madagasikara sy Sina amin’ny ho avy ihany koa ny fanamboarana ny « Autoroute Antananarivo Toamasina » sy ny fanorenana seranan-tsambo goavana ao amin’ny helidranon’i Narindra any avaratra andrefan’ny nosy. Mialoha izao, ny alahady teo dia efa nisy fanasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ka tafiditra ao anatiny ny fametrahana ny Zone Economique Special (ZES) iaraha-miasa amin’ny Sinoa eto Madagasikara, ny fametrahana ny tetikasa « ville intelligente » na tanàn-dehibe mampiasa ny teknolojia amin’ny fiainana andavanandro, tahaka ny « camera de surveillance » iarahana amin’ny orinasa Huawei. Hohatsaraina ihany koa ny fifandraisana amin’ireo mpandraharaha Sinoa te hampiasa ny volany eto Madagasikara. Maka toerana tanteraka eto Madagasikara izany ry zareo Sinoa ary hametraka tetikasa maro amin’ny sehatra isan-karazany. Feno 45 taona amin’ity 2017 ity moa ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Madagasikara sy i Sina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.