Nifoha tamin’ny torimasony ny CRN na ny Komity ho an'ny fampihavanam-pirenena ka milaza ny hanatevin-daharana ny "Malagasy Mivondrona ho an'ny Fanorenana" (MMF).
Nambaran-dRandriamanantsoa Tabera, mpikambana sy mpitondra tenin’ny CRN fa tsy mahasoa ny firenena ny fitsabahan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Tsy maintsy miresaka sy mifampidinika ny Malagasy eo anatrehan'izao toe-draharaha izao sy mialoha ny fanapahan-kevitra raisina eto amin’ny firenena. Manomboka taitra ny antoko politika maro amin’izao fotoana izao. Voizina indray mantsy ankehitriny ny resaka fifampidinihana rehefa tsy dia nahomby ny fidinana an-dalambe. Raha ho tonga any amin’ny firosoana amin’ny fifampidinihana ny resaka dia mety hiafara amin’ny fizaran-tseza sy fiaraha-mitantana ka na dia ireo mpanao politika efa tsy re tsaika sy tsy reo feo tao anatin’ny fotoana lava aza dia manao tsy omby aloha sitrany ahay.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.