Politique

Toe-draharaha efa mafampana Mandranitra ny Filoha


  • Talata 30 Aogositra 2016

Valin-teny feno fihantsiana no nasetrin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fitakian’ny mpanohitra ny hialany tsy misy hatak’andro eo amin’ny toerany.

Ny mahagaga dia any am-pandehanana any ivelany any no tiatian’ny filoha ny anaovana valin-kafatra. Nataony izany tatsy Maorisy avy nanatrika ny fandraisan’ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indianina ny toerany, izao koa avy any Nairobi Kenya namonjy ny TICAD-VI nihaonan’i Japon sy Afrika. Efa nambarany moa nefa mbola averiny indray fa ireo mpanohitra izay miteny sy manakiana azy ireo dia efa « samy nirotsaka hofidiana » avokoa saingy « tsy nisy lany » ary tsy nisalasala ny Filoha nanambara hoe : «Andao hifampitsapa any anaty fifidianana !». Te haneho ny Filoham-pirenena fa tokony hampikombona ny vavany ny mpanohitra ary ireto farany no tokony hiala amin’ny fanaovana politika fa tsy ny mpitondra lanim-bahoaka. Toa tsy mampihetsi-bolomaso ny Filoha akory ny hetsi-pitakiana sy hetsi-panoherana mitranga etsy sy eroa, mitatao amin’izao fitondrana izao. Raha tokony hitandrina sy handamina ny toe-draharaha ny Filoha amin’ny maha Raiamandrenin’ny firenena azy dia izy indray no toa mandranitra, mandraraka menaka anaty afo. Ny mpanohitra koa moa misaratsaraka ka mipi-kelika ny mpitondra. Izy ihany koa matoky ny foloalindahy hiaro azy. Ny tantara politikan’i Madagasikara anefa milaza fa ny fandranitan’ny mpitondra miampy vava tsy ambina hatrany no isan’ny nitarika ny firodanan’ny fitondrana teto. Nitranga izany tamin’ny 1972, nipoiran’ny teny hoe “tsakitsaky zato arivo”, tamin’ny 2009, nisian’ny hoe : «Tsapao tsara aloha ny herinareo vao mitsapatsapa ny aty !»... Dia ireny niaraha-niahita ireny ny zava-nitranga. Izao indray ka hoe “Ndao hifampitsapa !”. Aoka hosanatriavina ihany !

                                                                                                                                 Toky R.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT