Politique

Toavina Ralambomahay Mila ovàna ny lalàmpanorenana


  • Zoma 14 Jolay 2017

Adihevitry ny antoko politika amin’izao fotoana ny fikitihana na fanovana ny lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny karinem-pokontany ny taona 2010, hoy ny mpanoratra ara-politika Toavina Ralambomahay.

 Aminy dia fitondrana tsy ara-dalàna no nampanao ny fitsapan-kevi-bahoaka fampandaniana io lalàna fototry ny repoblika Faha-IV ankehitriny io ka mila ovana. Samy nanaiky na isika Malagasy na ny sehatra iraisam-pirenena satria takon’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny taona 2013 ireo lesoka marobe ao anatiny. Tsy mandeha amin’ny laoniny ny lalàmpanorenana Malagasy, araka ny fanamarihany. Tsy voatsangana hatreto ireo andrim-panjakana toy ny fitsarana avo na koa ny filoha lefitra fahafito mpanohitra eo anivon’ny antenimiera. Nisy kosa ireo andinin’ny lalàna fototra najoro fa nadika vilana avokoa. Tokony hitandrina anefa ny olom-pirenena satria tanjon’ny fitondrana Hery Vaovaon’i Madagasikara ny hanala tsotra izao ny andininy milaza ny fialàn’ny filoham-pirenena am-perinasa 60 andro mialoha ny fifidianana, hoy ity mpanao politika mpanohitra ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT