Samy manao izay tiany atao avokoa ny vazaha sy ny mpanao politika rehetra amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay.
Ny sehatra iraisam-pirenena, ohatra dia milaza amin’izao fotoana izao fa tokony hahazo milatsaka hofidiana daholo ny rehetra amin’ny 2018. Tamin’ny 2013 anefa dia nataony mihitsy izay tsy nilatsahan-dramatoa Lalao Ravalomanana sy Rajoelina ary Ratsiraka. Ny malagasy koa misy milaza fa tsara raha tsy milatsaka intsony ny filoha ankehitriny. Ny lehiben’ny mpanohitra amin’io tsy tafatsangana foana kanefa efa ho herintaona sisa dia hifarana ny fitondrana. Malemy ihany koa ny mpanohitra ny fitondrana satria ny vahoaka mihitsy no efa tsy manana finiavana hanao izany intsony fa mimenomenona fotsiny. Mahazo vahana sy manao izay tiany noho izany ny fitondrana ka dia miandry izay higadonany isika, hoy hatrany izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.