Politique

Toamasina renivohitra Ireo kandida ho Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Na tsy mbola nisy nametraka ny filatsahan-kofidiany aza dia efa hita eny ihany ireo ho kandida ho Ben’ny tanŕna ho an’i Toamasina renivohitra.

 Efa misy ny anarana mandeha sy efa miomana amin’izao, anisan’ireny i Joël Patrick Gérard Claude (Patou) SG-n’ny kaominina hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany, Jean Paul Marcel mpiasan’ny SMMC atolotry ny TGV Toamasina, Richard mpanazatra sy mpitantana ny As Fortior miara-dia amin’ny TIM Raharinaivo, Belahy Paul lefitra voalohan’ny PDS avy amin’ny MTS, Pierre Allain Olivier talen’ny asa sy ny asam-panjakana Atsinanana atolotry ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, Rabasison Setra Harison SG-n’ny Kaominina teo aloha ary miandraikitra ny «service contentieux»-n’ny Kaominina ankehitriny avy amin’ny Masters, ary ny avy amin’ny fikambanana «Zanak’i Dada» ahitana ireo antoko sy fikambanana te hametraka ny hoe «Tohizo ny lalantsika» izay eo am-pikarohana ny kandidany izy ireo ankehitriny.

Ankoatra izay, dia misy koa ireo tsy mbola tapa-kevitra tsara sy miandry baikon’ny antokony, anisan’ireny Rtoa Sampivony Claudine Tsé mpanolotsain’ny lehiben’ny faritra Atsinanana avy amin’ny MDM, Anthony Mananjara (Tony) avy amin’ny VITAL Fampandrosoana, ary Dr Benessy Harison Sébastien FIMAMI izay voatery mijanona angamba noho ny Tgv. Ity herinandro ity izany no hahalalana ireo tena ho kandida marina ao Toamasina renivohitra eo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT