Manomboka mivoaka tsikelikely ihany amin’izao fotoana ireo karazana tandrevaka, miendrika fanamparam-pahefana ataon’ny FAT, ka anisan’izany ity nitranga tany Toamasina ity ny volana jolay lasa teo.
Niala tsy nipetraka tao Toamasina intsony noho ny karazana fanamparam-pahefana nataon’ny mpitandro ny filaminana taminy ny tomponandraikitra ambony iray teo amin’ny Tiko, satria tena namela fahatsiarovana ratsy teo aminy sy ny fianakaviany ny bemidina nataon’ny miaramila sy polisy ary zandary nitondra fitaovam-piadiana, nisava ny trano fonenany ny tapaky ny volana jolay lasa teo. Ny zoma 16 jolay tokoa no tonga nanao rodorodo ireto mpitandro ny filaminana, nahitana ny BC avy eto Antananarivo, niaraka tamin’ny miaramila sy ny zandary, nitondra taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana avy eto Antananarivo, fa hoe hisava ny tranon’ity tomponandraikitra ambonin’ny orinasa Tiko ity, tao Valpinson. Ny anton’ny fisavana, araka ny nambaran’izy ireo dia toa hoe nahazo vola 100 miliara ariary avy any amin’Atoa Marc Ravalomanana, hono, ka mitahiry izany ao an-tranony miaraka amina fitaovam-piadiana ity mpiasa ity. Nafatratr’izy ireo teo amin’ny zoron-trano ny fianakaviana, ary dia nanomboka nisava ny trano ary nanakorontana ambony ambany ny entana rehetra tao izy ireo. Ora maromaro no naharetan’ny fisavana.
Tsy nisy an’ilay vola be akory anefa tao amin’ilay trano. Ary hatramin’izao dia tsy fantatra ny tena marina, satria tahaka ny tsy nitohy intsony ny fanadihadiana. Nanaitra ny mpiasan’ny Tiko sy ny mponina manodidina azy io bemidina nataon’ny mpitandro ny filaminana io sy ny filazana fa nisy vola be notehirizina tao amin’ny tranon’ilay mpiasan’ny Tiko, satria araka ny filazan’ny manodidina dia olona tsotra, fa tsy mpanefoefo mirenty amin’ny fiara tsara tarehy sy manjelatra ity tomponandraikitra teo anivon’ny Tiko ity. Koa izany rehetra izany no nahatonga ny maro velom-panontaniana hoe: inona no anton’ilay fisavana, filam-banina ve sa fanaovana ramatahora ? Ary loharanom-baovao avy aiza no nahafantarana fa misy vola 100 miliara ao Valpinson Toamasina. Zavatra tena azo antoka ve izany sa siosion-dresaka na tondro molotra mety nataon’ny mpankahala sy ny mpialona fotsiny ? Fa ny nahagaga koa dia ny hoe : nahoana no ny lehiben’ny fampanaovana avy eto Antananarivo no namoaka ny didy hisavana ny trano, ka nandefa ny mpitandro ny filaminana avy eto hidina any Toamasina, f’angaha tsy misy fitsarana sy mpitandro ny filaminana afaka manao izany any an-toerana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.