Mafana sy misy ambiansy hatrany ny fihaonan’i Marc Ravalomanana amin’ny vahoaka n’aiza n’aiza faritra alehany eto Madagasikara.Ireo mpikambana ao amin’ny antoko TIM
, ny mpandraharaha ao Toamasina ary ny olon-tsotra no nihaona sy nifampidinika taminy sy ny Pr James Robinson Magro Ambodisoanambo omaly. Nandritra izany no nanazavan’i Pr James Robinson ireo olana misakana ireo tany andalam-pandrosona tsy handroso toa an’i Madagasikara ; tetsy ankilan’izay koa i Marc Ravalomanana dia nanentana ireo mpikatroka TIM hijoro, ho sahy ary hiaraka aminy hanarina ny firenena.Nitsidika ny Bazar kely nijery ny zava-misy ary nifampiresaka tamin’ireo mpivarotra sy izay olona sendra azy teny an-dalana ny filoha nasionalin’ny TIM avy eo, efa mahazatra an’i Dada moa ny mifampikasoka mivantana amin’ny vahoaka mba hamantarana ny hetahetany sy izay zavatra marary azy. Faly dia faly ireo mpivarotra vantany vao nahita an’i Dadavalo, nitaraina aminy fahalafosam-piainana ireo olona ireo, ary niantsoantso mihitsy ny hiverenany indray eo aminy fitondrana.Tena tsapanay izao fa hafa tamin’ny andro nitantanan’i Dada ny firenena hoy ny olona nadihadiana tany an-toerana satria tena maro ny zavatra niova tao Toamasina, izay natao renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara moa saingy rava ny ezaka natao noho ny krizy 2009.Leo fijaliana izahay ary te hiova sy hanova zavatra miaraka amin’ny filoha Ravalomanana, hoy ny hetahetan’izy ireo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.