“Raha tiana ny hahazo vokatra tsara sy mahomby, dia mila mifanaraka amin’izany koa ny enti-manana hahazoana azy”. Filamatra mipetraka izany ho an’ny fanatontosana zavatra iray. Tsy izany anefa ny zava-misy mikasika ny Dinika Santatra ao Toamasina fa tsy misy afa tsy 5,8 tapitrisa ariary monja no enti-manana azy mandritra ny telo andro, ny 29 hatramin’ny 31 jolay ho avy izao. Ao amin’ny kianja mitafo Soavita no hanaovana azy io ary hanasana olona sy fikambanana 300 mahery raha 700 tany ho any tany am-boalohany.
Nisy ny alatsinainy misadratr’andro teo no nampahafantarin’ireo delegasionina manokana misahana izany teo anivon’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, tao amin’ny Lapan’ny Faritra. Fantatra tamin’izany fa i Jean Félicien no mpandrindra provinsialy ny Dinika Santatra ho an’i Toamasina, teo koa i Issouf François mpikambana eo anivon’ny Raiamandreny Mijoro sy Dox Didier avy amin’ny Coalition des Société Civile. I Zafitsara Maria kosa no mpandrindra ho an’i Toamasina I. “Handamina fa tsy hiandany” izay no foto-kevitra hijoroan’izy ireo amin’izao Dinika Santatra izao, ka ny resaka lalàmpanorenana sy ny rafi-panjakana hapetraka amin’ny Repoblika faha-04 no hiadiana hevitra mandritra ny telo andro ao amin’ny Soavita io. Na izany nilaza ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Alain Mahavimbina fa “raha sanatria ka tsy fahombiazana tahaka ireo natao teo aloha ity farany karakaraina ity, dia asa izay hiafaran’ny firenena, fa ahiana ny korontana noho ny fahasahiranam-bahoaka”.
Fanamby napetraky ny mpikarakara ny Dinika Santatra ny hahatontosana azy ity ary ahitana vokatra. Ho sarotra anefa ny hahatrarana ilay fanamby, satria vao miainga ny an’i Toamasina I dia efa nahena ny mpandray anjara, tara ny fanomanana ary hikoropahana ny fandaminana ; manampy trotraka izany ny teti-bola izay zary vaza-mihetsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.