Politique

Toamasina Ho tanŕna maty indray anio ?


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010

Lasa fitaintainana lava ho an'ny vahoaka ao Toamasina ny fandehan-draharaha mikasika ny fandaminana momba ny posy.

Nanomboka ny alakamisy tolakandro teo, nisesy ny fivoriana nentina namahana sy nandaminana ny olana, nefa tsy nisy na iray aza nahitam-baliny nahafa-po ireo mpitondra posy fa mifanilika fahadisoana sy andraikitra indray ny Kaominina nandray ny fepetra sy ny mpitondra posy tsy manaiky ny fampiharana azy noho ny krizy, ary ny Emmo-Reg izay tsy manaiky ny hisian'ny fanakorontanam-bahoaka. Raha ny zava-misy ny faran'ny herinandro teo izany, tsy milamina ny raharaha, ary atahorana ny hiverenan'ny fitokanan'ireo mpitondra posy an-dalambe farany teo ireny ka hampiverina ny savorovoro indray.

Hevitra farany nandaminan-draharaha mantsy ny fiantsoana ireo Raiamandreny ara-drazan'ireo mpitondra posy ireo, araka ny fampiantsoana sy fiangaviana nataon'ny PDS ny zoma tolakandro teo, ny nahagaga ireo niatrika izany, dia ny PDS nampiantso indray no nanao tsidi-pahitra fotsiny nandritra ny fivoriana raha niakatra ambonimbony ny maripana tamin’ny adihevitra. Tsy vitan'izay fa fanomezan-tsiny ireo Raiamandreny ireo ho tsy mahavita ny adidiny no nataony dia iny izy no lasa, hany ka ny lehiben'ny distrika sy ny Emmo-Reg no niharitra ny fahadisoan'ny PDS ny kaominina teo, sy nanome fanazavana sy soso-kevitra nandritra ny fihaonana. Nirava ihany mantsy ny fivoriana tsy nipoitra intsony ny PDS sy ny ekipany izay tompon'ny fanasana tao amin'ny kaominina. Ankoatra izay, dia anisan’ny tsy mampilamina ny raharaha ny fisamborana ireo olona 8 lahy voalaza fa tratra ambodiomby nangalatra sy nandrava fananan'olona ary nitondra entana halatra, nohazonina teo anivon'ny zandary.

Misy mantsy raha ny vaovao nangonina, izay sarotra ihany ny nahazoana azy, fa ny faran'ny herinandro teo no niakatra fitsarana izy 8 lahy ireo taorian'ny fanadihadiana niarahan'ny polisy sy ny zandary nanao. Ny fitakiana ny hamoahana ireo olona 8 nambaran'ireo mpitondra posy naman'izy ireo, koa no tsy hampilamina ny raharaha raha misy ny famonjana vonjimaika azy ireo taorian'ny fiakarana fitsarana izay tsy mbola hay hatreto ny valiny. Samy nanararaotra ny faran'ny herinandro teo nivarotana ny mpivarotra sy ny magazay ary ny tranombarotra. Milaza ny tsy hivarotra avokoa noho ny tahotry ny savorovoro mety hitranga izy ireo anio. Ho hita eo ny zavatra mety hitranga !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT