Nanao ny hetsika toy ny fanaony eo amin’ny tokotanin’ny Magro Tanambao V ireo mpikambana sy mpitolona eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina.
Niavaka ny hetsika nanomboka ny sabotsy teo noho ny fidirana an-tsehatry ny “Zanaky ny Mafana”. Nandray fitenenana nanentana ny tanora Atoa Ranaivoarison Johnny ka nilaza fa mila antsika tanora toy izao mitaky ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny fanonganam-panjakana atao fitaratra eto amin’ny firenentsika ny firenena Malagasy. Mijoroa isika ary aza kivy amin’ny fitakiana ny marina satria ny marina tsy mba maty. Ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rakotoarimanana Justin dia nahitsy filaza fa “telo sy iray ny baolina izao.
Ny filohan’ny tetezamita irery izao no miady amin’ny filohan’ny andrimpanjakana telo. Main’ny afo natsangany ingahy Rajoelina ankehitriny ka ny vondrona iraisam-pirenena avy no hamakiany ady”. Ho an’Atoa Iandro Robertson kosa dia nilaza fa raha misisika ny hirotsaka hofidiana ingahy Rajoelina, dia mitaky ny firotsahan’ny filoha Ravalomanana koa izahay, satria ny vahoaka Malagasy no mitaky ny filatsahany izao noho ny fizirizirin’ny filohan’ny FAT”.
Ireo rehetra nandray fitenenana rehetra nandritra ity hetsiky ny Magro Tanambao V Toamasina ity, dia samy nilaza fa tokony hiomana foana isika fa efa akaiky dia ho tonga an-tanindrazana Atoa Ravalomanana, hotsenaintsika am-panajana sy am-boninahitra ny filohantsika sy ny fianakaviany ary ireo niara-nanao sesitany politika ny tenany tany ivelany rehetra”. Ankoatra izay dia hanomana hetsika goavana eo amin’ny tokotanin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy 19 janoary izao ireto ankolafy Ravalomanana ireto. Mandritra io fotoana io koa no hanao be midina ao Toamasina hitokana ny zava-bita “manara-penitra” i Andry Rajoelina sy ny ekipan’ny prezidansa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.