Tafatsangana ara-dalŕna ao Toamasina ny “Tanora MFM (T/MFM)” na ireo “zanaky ny Mafana” Toamasina. Hiaka-tsehatra eo amin’ny Magro Tanambao V Toamasina izy ireo manomboka amin’ny taona 2013 ity, ka hisantaran’izy ireo izany ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana rahampitso sabotsy tolakandro.
“Ho avy izahay hanamafy ny tolona amin’izay raha nangina sy niasa mangina izahay hatramin’izay noho fahatsapanay fa efa tena lasa lavitra ny olan’ny Malagasy vokatry ny krizy sy ny fanonganam-panjakana efa efa-taona izao, ka mila faranana amin’izay. Am-pilaminana anefa, araka ny fepetra efa napetraky ny ankolafy Ravalomanana hatramin’izay no hanaovana izany”. Izay no nambaran’Atoa Ranaivoarison Johnny filohan’ny T/MFM Toamasina.
Nomarihany hatrany fa misokatra ho an’ny tanora rehetra ny T/MFM, satria ny tanjona dia ny fanomanana tanora mpanao politika tena izy tahaka ny efa nataon’ny antoko MFM hatramin’izay namolavola ireo mpanao politika ankehitriny ireo”. Raha ara-tantara dia ny MAP/KMM teo aloha ihany ity niova ho T/MFM ity. Ny taona 2002 no nijoroany voalohany tao Barikadimy, ary rantsamangaikan’ny MFM ihany ny T/MFM izay manana ny foibeny eto Antananarivo.
Ny tanjona dia ny fanomanana tanora amin’ny sehatra politika sy ny fanovana politika. Izay no nampijoroana ny T/MFM isaky ny Fokontany sy ny Boriborintany ao Toamasina hampitana ny fahalalana ara-politika eo amin’ny tanora, raha ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo no nanaovan’izy ireo ny hetsika hatramin’izay. Fikambanana mahaleotena eo anivon’ny MFM reniny ny T/MFM. Na izany aza, tsy maintsy hierana amin’ny foibe reniny avokoa ny fanapahana horaisina mba tsy hivaona amin’ny foto-kevitry ny antoko hatramin’izay nijoroany teto amintsika izay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.