Politique

Toamasina Efa 15 ny kadinda ho Ben’ny tanŕna


  • Talata 19 Oktobra 2010

Taorian’ny namoahan’ny filankevitry ny ministra ilay didy hitsivolana 2010-009 mikasika ny fombafomba filatsahan-kofidiana ho Ben’ny tanŕna sy ny mpanolotsain’ny Kaominina manerana ny Nosy, dia efa miomana amin’izany ireo fikambanana sy antoko politika ary ireo olon-tsotra te handray anjara ao Toamasina renivohitra.

Na mbola resabe aza ny hoe ho tanteraka sa tsia io fifidianana io dia mandeha eny ihany ny fifanatonana etsy sy eroa hifanohanana, eo koa ireo mbola maka toky tsara. Fa hatreto aloha dia anarana miisa 15 no re fa ho kandida hiady ny toeran’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra.

Voalohany amin’izany ny PDS ankehitriny, napetraky ny FAT, Rakotovao Mariot izay raha ny resaka mandeha hatreto dia ho kandidan’ny antokon’ny fitondrana, dia ny TGV. Eo koa i Mananjara Antonio James avy amin’ny Vital Fampandrosoana izay efa manana ekipa maromaro eo anivon’ny Kaominina. Dr Benessy Harisson Sébastien izay mpifanandrina mivantana amin’ny TGV noho izy voailika tao ka nanangana ny fikambanana azy manokana, ny FIMAMI. Rabariharison Seth Jacques (Setra) avy amin’ny Masters izay efa nandefa CV tamin’ny fametrahana ny PDS ihany koa fa tsy lany tamin’ny sivana farany. Efa Sekretera jeneralin’ny Kaominina tamin’ny andron’ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotomanana Gervais izy. Mety hanolotra an’i Joel Patrick (Patou) ny Arema-Crn, anisan’ny nandefa Cv ihany koa nandritra ny fifantenana izay ho PDS fa tsy lany. Sekretera jeneralin’ny Kaominina ankehitriny izy raha lefitra faha-4 tamin’ny Ben’ny tanàna teo aloha. Re koa ny anaran-dRamoravelo Estache, izay efa kandida PDS ihany koa fa tsy lany tamin’ny sivana. Lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Rakotomanana Gervais izy, saingy voailika noho ny politika. Mety hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana izy. Mandeha koa ny feo fa mety ho kandida hatolotry ny MTS, i Maso José Michel. Izy koa dia anisan’ireo kandida PDS natolotr’i Roland Ratsiraka saingy tsy lany tamin’ny sivana ka nasolo an’i Belahy Paul izay MTS ihany. Ny azy ireo indray dia ny tsy fahazakana ilay resy tamin’ny fifidianana natao ny taona 2007 no hiverenany ary mihevitra ny handrobaka ny toeran’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina mihitsy amin’ity manaraka ity. Ny Ben’ny tanàna teo aloha Rakotomanana Gervais kosa raha nilaza mazava raha nanontaniana fa tsy hilatsaka izany ny tenany. Ny 02 novambra izao ny fanombohan’ny filatsahan-kofidiana ho an’ireo te ho Ben’ny tanàna ireo, ka ho hita eo hoe iza marina no efa vonona, iza kosa no mbola haka bahana aloha.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT