Politique

TMR Miantso ny SADC hanery ny anatanterahana ny tondrozotra


  • Zoma 01 Febroary 2013

Na dia efa aty amin’ny faran’ny volana janoary aza dia tsy diso anjara tamin’ny fikarakarana lanonana tsotra fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2013 ny TMR (Tiako i Marc Ravalomanana) tarihan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Ralaimampisainarinony Manoela.

 Tetsy amin’ny foiben’ny Tiako i Madagasikara tetsy Bel’Air omaly alakamisy 31 janoary no nanatanterahana ity hetsika ity. Nanentana ny TMR haneho firaisankina sy hivonona amin’ny fitsenana an’i Dada, Rtoa Maria raha nisolotena ireo mpikambana. 

Nanamafy izany ny CT Ralaimampisainarinony Manoela izay nilaza fa manantena ny hiverenan’i Dada an-tanindrazana ny TMR fa izy ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy mahazo ny firenena izao. Koa mivonona isika, hoy izy. Manao antso avo amin’ny SADC koa ny tenanay, hoy Ralaimampisainarinony Manoela, hanery ny rehetra hanatanteraka ny voalazan’ny tondrozotra natao sonia dia ny famerenana an’ireo sesitany any ivelany rehetra, ny famoahana ireo gadra politika tsy ankanavaka ary ny famoahana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT