Tsy maty afo tsy akory ny mpikambana Tiako I Madagasikara (TIM) amin’iny Distrikan’i Tolagnaro.
Manaporofo izany ny fisehoany an-tsehatra isaky ny misy ny fotoana hanaovana izany, ankoatry ny fivorian’ireo mpikambana any an-toerana isaky ny sabotsy tolakandro. Tao amin’ny foiben-toerany ao amin’ny trano fonenan’ny Senatera teo aloha ary mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Mosa Tahiry, ao Bazaribe, no natao ny lanonana fifampiarahabana ny sabotsy teo, narahina fiaraha-misakafo nanaporofoana fa velona, matanjaka ary tsy maty afo akory ireo Zanak’i Dada any Anôsy. Nananamafy ireo mpikambana fa hanohana an’i Dada hatramin’ny faranyary tsy horebirebena amin’ny vola. Ilaina ny fahamatorana ary tano ny fahatokisantsika ny filoha hatramin’izay, hoy ny CST Mosa Tahiry.
Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nitafa tamin’ireo Zanak’i Dada any Anôsy koa ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Me Hanitra Razafimanantsoa, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nanamafy ity farany fa “tsy misy raha manjary eto Madagasikara raha tsy miverina i Dada”. Matoky ny fahendren’ny Filoha Marc Ravalomanana isika, hoy izy, ary i Dada mody an-tanindrazana ihany no hataontsika vaindohan-draharaha. Nahazo hery ireo mpikambana mpiara-dia amin’i Dada taorian’izay.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.