Politique

TIM Mahajanga Mitaky ny fisokafan’ny onjam-peo MBS


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Miombom-peo amin’ireo mpikamban’ny antoko politika TIM manerana ny Nosy ny TIM Mahajanga mikasika ny fitakiana ny fisokafan’ny onjam-peo MBS (Malagasy Broadcasting System) mba hahafahana mahazo vaovao mikasika ny raharaham-pirenena.

 

 Eny anivon’ny Filankevi-panjakana efa hatramin’ny taona 2015 ny fitoriana nataon’ny tompony mikasika ity haino aman-jery MBS ity, saingy hatramin’izao tsy misy didy mivoaka. Ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Ramanakamonjy Guy Laurent, no manindry aloka ny fitsarana ka milaza fa “tsy ara-dalàna” ny MBS. Nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao nifanaovan’ny mpikatroka TIM Mahajanga tao amin’ny Magro Mahajangabe ny faran’ny herinandro teo no nanaovan’ireo mpikambana antso avo amin’ny mpitondra ny hisokafan’ny MBS.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT