Politique

TIM Imerintsiatosika Hamerina an’i Dada eo amin’ny fitondrana


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Manetsika ireo mpikambana eny ifotony ny Tiako i Madagasikara manomana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy, lehibe amin’izany ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 hamerenana an’i Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana,


 hanavotra ny firenena sy hitondra fampandrosoana holovain-taranaka toy ny efa nahafantarana azy teo anelanelan’ny 2002-2009 nitondrany an’i Madagasikara. Ho an’ny ao amin’ny Distrika Arivonimamo, dia efa mamondrona ny mpikambana ny tompon’andraikitra tarihin’ny solombavam-bahoaka Rakotomanjato Rodin. Misy ny fanavaozana miainga eny ifotony araka ny rafitra sy sata ary fitsipika mifehy ny antoko, amin’ny nandraisan’i Marc Ravalomanana ny fitantanana indray ny antoko taorian’ny kongresy nasionaly natao teto Antananarivo tamin’ny mey 2015. Natomboka amin’ny fananganana ny biraon’ny TIM eny anivon’ny Kaominina (COMTIM) izany, hanomezana aina ny antoko, hiverenany amin’ny tanjany. Voafidy ny sabotsy 01 oktobra 2016 ny biraon’ny COMTIM Imerintsiatosika, narahina fizarana karatra maha mpikambana ny mpikatroka eny ifotony. Niray feo ny mpikambana, tamin’io fa tokana ny tanjona dia ny hamerenana an’i Dada eo amin’ny fitondrana, ary efa manana paikady ho amin’izay izy ireo. Hiroso amin’io fanavaozana eny ifotony io ireo Kaominina miisa 23 ao anatin’ny Distrika Arivonimamo, mialoha ny dingana manaraka.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT