Nambaran’ny mpandrindra ny REG TIM any Atsimo Andrefana, Atoa Sazalahy Tsianihy fa manamafy ny tsy maintsy hahatanteraka ny 1 er Tour dia vita ny fifidianana hahalany ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2018.
Mila olona eken-tenin’ny mpamatsy vola mahazatra avy any ivelany ary mila fandriampahelemana sy fampandrosoana mirindra mantsy i Madagasikara. Ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana irery ihany no afaka hanatanteraka an’ireo voalaza ireo. Feno ny fepetra ho an’ny TIM Atsimo Andrefana hampanjariana azy io amin’ny ara-dalàna satria efa voatsangana avokoa ireo DISTIM miisa 8 afa-tsy ny DISTIM faha-9, ao Ampanihy, izay hatsangana amin’ity faran’ny herinandro ity. I Menabe no nananganana DISTIM farany tamin’ny 10 febroary 2017 teo. Efa tafatsangana ihany koa ny COMTIM 26 amin’ny kaominina 30 misy ao Toliara faha-2 hiara-kisalahy amin’ny fanatanterahana ny tanjona. Mikasika ny hetsika fitakiana ny hanokafana ny MBS Tv sy Radio indray, dia manohana izany 100% izahay aty Atsimo Andrefana, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, satria mila misitraka ny haino aman-jery ahenoana vaovao maro loko sy marim-pototra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.