Politique

TIM Atsimo Andrefana 1 er tour dia lany Ravalomanana


  • Zoma 31 Martsa 2017

Nambaran’ny mpandrindra ny REG TIM any Atsimo Andrefana, Atoa Sazalahy Tsianihy fa manamafy ny tsy maintsy

 

hahatanteraka ny 1 er Tour dia vita ny fifidianana hahalany ny prezidà Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2018 satria mila olona eken-tenin’ny mpamatsy vola mahazatra avy any ivelany ady mila fandriampahalemana sy fampandrosoana mirindra koa i Madagasikara ka ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana irery ihany no afaka hanatanteraka an’ireo voalaza ireo. Feno ny fepetra ho an’ny TIM Atsimo Andrefana hampanjariana an’io 1 er Tour dia vita io amin’ny ara-dalàna satria efa voatsangana avokoa ireo DISTIM miisa 8 any amin’ity Faritra ity afa-tsy ny DISTIM faha-9, ao Ampanihy, izay hatsangana amin’ity faran’ny herinandro ity. Menabe no nananganana DISTIM farany tamin’ny 10 febroary 2017 teo. Efa tafatsangana ihany koa ny COMTIM 26 amin’ny kaominina 30 misy ao Toliara faha-2 hiaraka hisalahy amin’ny fanatanterahana ny 1er tour dia vita izany. Mikasika ny hetsika fitakiana ny hanokafana ny MBS Tv sy Radio indray, dia manohana izany 100% izahay aty Atsimo Andrefana, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, satria mila misitraka haino aman-jery ahenoana vaovao maro loko sy marim-pototra izahay.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT