Politique

TIM Arivonimamo Nanatanteraka fambolen-kazo


  • Alatsinainy 13 Martsa 2017

Nanatanteraka fambolen-kazo niaraka tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ny sabotsy teo ny filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana.


Nanatanteraka fambolen-kazo manamorona iny lalam-pirenena voalohany miditra an’Arivonimamo iny koa ny vehivavy TIM any an-toerana, ny fikambanam-behivavy Meva ... Nambaran’ny filohan’ny TIM, Marc Ravalomanana fa efa fanaon’ny antoko isan-taona ny fambolen-kazo toy izao. Nanotrona azy tany Arivonimamo ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra sady kestoran’ny Antenimieram-pirenena Guy Rivo Randrianarisoa sy ny depioten’Arivonimamo, Rodin Rakotomanjato. Nitondra ny tenin’ny mpikambana ifotony, Tiako i Madagasikara ity farany, miangavy ny hirotsahan’Atoa Marc Ravalomanana hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy eo, hanavotra ny firenena latsaka an-kady. “Hamafisiko eto indray fa hirotsaka aho”, hoy i Dada, ary niantso ny mpomba azy manerana ny Nosy hivonona amin’izany izy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT