Politique

TIM Andrefan’Iarivo Tsy mivadi-belirano ary vonona hiaro an’i Dada


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011


 Tontosa ny sabotsy 23 jolay teo teny Anosiala Ambohidratrimo ny fanentanana ifotony ny vahoaka malagasy nataon’ny TIM Andrefan’Iarivo amin’ny fiatrehana ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Ny votoatin’ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpandrindra eny amin’iny Faritr’i Marovatana iny dia ny hamerenana indray ny firaisan-kinan’ny TIM satria efa akaiky ny fahatongavan’i Dada. Ireo tena fototra no hiaro ny Filoha Ravalomanana ary manainga azy ireo hijoro hatramin’ny farany ry zareo eny Andrefan’Iarivo. Nanotrona ity hetsika ity ny Depiote teo aloha isany Mamitiana Ravelonanosy, Jules Dauphin Randriamaholison ary Zafilahy Stanislas. Ity farany no nanamarika fa fanazavana ny raharaham-pirenena ankapobeny no tena anjara biriky nentin-dry zareo teny Anosiala mba tsy hahatompontrano mihono ny vahoaka. Tonga eto koa izahay, hoy izy, hanetsiketsika ny fototra fa tsy matory na maty ny antoko Tiako i Madagasikara fa efa miomana tanteraka ihany koa amin’ny fifidianana ho avy tsy maintsy ivahan’ny olana eto amintsika. Dia fankaherezana tanteraka ny mpikambana ao amin’ny antoko ny fahitany ny mpitarika azy tsy mivadi-belirano.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT