Politique

Tiako I Madagasikara Voarara ny hetsika manerana ny nosy ?


  • Talata 18 Jolay 2017

Tsy nekena ny didim-pitsarana nanome alalana ny Antoko TIM hankalaza ny faha-15 taonany teny Mahamasina ny 8 jolay lasa teo.

Niverina tamin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ihany koa ny lehiben’ny distrikan’i Mandritsara satria nolavina indray ny fahazoan-dàlan'ny Antoko TIM efa azo amin'ny fanatanterahana ny Kongresim-paritra any Mandritsara heverina hatao ny 20 jolay izao. Mazava ho azy sy tsy takona hafenina ny tsindry sy sotasota politika saingy tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto hoe iza no tena atidoha? Raha ny loharanom-baovao iray kosa, dia tsindry bokotra avy amin’ny minisiteran’ny atitany tarihin’ny minisitra sady Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny tsy hanomezana mangirana ny antoko TIM, ka isan’izany ny baiko nanaisorana indray ny fahazoan-dàlana tany Mandritsara. Izy rahateo no manam-pahefana ambony afaka manome tsindry ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Isan’ny efa nanitrikitrika sy nanaratsy an’I Marc Ravalomanana ihany koa I Rivo Rakotovao, izay filohan’ny HVM.  Tsy nahafa-po azy ny fanaratsiana any anaty haino aman-jery fa dia vitany ny niresaka sy nanaratsy an’i Marc Ravalomanana sy nanao fanambarana politika tany amin’ny toeram-piasany, izay azo hiheverana azy ho atidohan’ny faminganana ny TIM. Raha ny loharanom-baovao iray, dia tsy havela hanao hetsika izany mihitsy ny TIM na aiza na aiza toerana hanaovana izany eto Madagasikara. Toa efa manajabaka an’I Hery Rajaonarimampianina ho halam-bahoaka hatrany anefa no ataon’izy ireo, ary efa manomboka tonga saina i Hery Rajaonarimampianina. Tsy hay na mbola fitondran’olon-kendry no eto na efa fitondrana adala matanjaka, fa dia manao loham-boto sy izay saim-patany tsotr’izao. Tsy misy izany fanajana ny tany tan-dalàna izany fa fanjakana jadona sy mpanampatra fahefana no misy eto Madagasikara. Raha tsiahivina ny tantara tamin’ny raharaha 8 jolay, dia efa nandresy tamin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny antoko TIM tamin’ny fanatanterahana ny hetsika tamin’ny 8 jolay, ka navadika indray ny tantara hoe nanitsakitsaka ny lalàna sy nihoam-pefy. Ho an-dry Rivo Rakotovao sy ny HVM tarihiny, dia dondrona sy kentrina ny mpahay lalàna, mpitsara, mpisolovava, nanazava sy nanameloka ny fanitsakitsahana didim-pitsarana nataon’ny fanjakana, ka didim-pitondrana sadasada no nentina nanitsakitsahana izany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT