Politique

Tiako i Madagasikara Tsy hanaiky ho gisitra


  • Alarobia 20 Jolay 2011


 Vonona hifanandrina amin’izay mangetaheta azy amin’ny fanehoan-kevitra na fifidianana ny Tiako i Madagasikara ao Tolagnaro. Fantatra io tamin’ny resadresaka nataon’ny mpikambana ao amin’ity antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana ity tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana. Nilaza izy ireo fa avelao handeha any izay tsy mahatanty ny mena miraviravin’ny FAT, fa izahay dia tsy mahafantatra afa tsy “Dada ary Dada hatrany”. “Miandry azy izahay, ary tsy maintsy ho avy izy na iza hanatsatso”. Mahakasika ny famahana ny krizy dia nanamafy ireto mpikambana Tiako I Madagasikara ao Tolagnaro ireto fa ny fiverenan’ny filoha Marc  Ravalomanana ihany no hampiverina amin’ny laoniny ny filaminana sy ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitondrana malagasy fa tsy izao fitondran’olon-tokana mibaiko sy manao ampihimamba ny fitondrana izao.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT