Politique

Tiako I Madagasikara Toliara Hamerina an-dRavalo amin’ny “1er Tour dia vita”


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011

Nivoitra io nandritra ny fivoriana notontosain’ny antoko Tiako I Madagasikara sampana Toliara, Faritra Atsimo Andrefana ny sabotsy 23 jolay teo.

 Nitarika ity fihaonana ity ry Rajoeliarison Serge mbamin-dry Retova Edmond Rostant, Rtoa Bénédicte sy Ramanjakamiadana Hery Jacques. Nambaran’izy ireo fa “efa vonona ny komity isam-pokontany manomana ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana ary manao fanamby ny rehetra fa hampandany azy indray amin’ny “1er Tour””. Manomboka mitety Fokontany izy ireo manentana ireo mpikambana eny ifotony ho amin’izany. Fokontany enina no efa voatety hatreto, dia ny tao Sanfily, Ampasikibo, Betania, Amborogony Est, Morafeno ary Besasavy. Nambaran’ny Tiako I Madagasikara Toliara fa tsy matahotra fifidianana izy ireo saingy kosa, “mba hisian’ny fifidianana madio dia ilaina ny fampijoroana ny tetezamita iarahana, ny fananganana CENI eken’ny rehetra, famoahana ny gadra politika rehetra sivily na miaramila, ary famoahana ny haino aman-jery izay nakatona noho ny raharaha politika”.

Nanamafy koa izy ireo fa “mankasitraka ny fanamafisan’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina ny zavatra tapak’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC tao Sandton, ary manainga ny Vondrona iraisam-pirenena hanatanteraka io fehin-kevitra tapaka io, fa mijaly ny vahoaka Malagasy”.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT