Niala tamin’ny fahanginany ny Vondron’ny Parlemantera Tiako I Madagasikara manoloana ny resaka nifamahofaho, mahakasika ny raharaha tokantranon’ny antoko, indrindra taorian’ny namorian-dRaharinaivo Andrianatoandro andian’olona tao amin’ny Espace de Verre Ankorondrano ka nivoahan’ny fanambarana fa sady nanao Filankevi-pirenena izy ireo no nanangana birao vonjimaika ka nametraka an-dRaharinaivo Andrianatoandro ho filoha mitantana ny antoko Tiako I Madagasikara nanomboka ny alarobia 25 aogositra 2010.
Nanao fanamarihana ary ny Vondron’ny Parlemantera Tiako I Madagasikara, izay mpikambana avy hatrany amin’ny Kaongresy Nasionaly sy ny Birao Mpanatanteraka eny anivon’ny rafitra fitsinjaram-pahefana (Faritra – Distrika) anatin’ny Antoko fa araka ny andininy faha-8.2.1- 8.3.1 sy 8.3.3 ao anatin’ny sata mifehy ny Antoko dia voafaritra mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay ary toy izany koa ny fahafahana mampiantso fivoriana isaka ny ambaratonga rehetra. Momba ny fiantsoana ny Filankevi-pirenena dia nanamafy izy ireo fa “ny Filoha Nasionaly am-perinasa irery ihany no afaka manatanteraka izany”. Ankotra izay dia nanamafy ny Vondron’ny Parlemantera Tiako I Madagasikara fa “tsy foana akory ny toeran’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko”.
Randrianasandratriniony Yvan no mitana io andrakitra io nanomboka taorian’ny kaongresy nasionaly faharoan’ny antoko natao ny volana oktobra 2007. Atoa Randrianasandratriniony Yvan anefa, hoy ny fanambarana dia “efa nampiseho fa tsy mankato ary tsy nampiantso Filankevitra Nasionaly ao anatin’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao”. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa “ny Parlemantera Tiako I Madagasikara, ny Tomponandraikitra rehetra ary ny Mpikambana ao anatin’ny Antoko dia manaraka tsy misy fepetra io fanambaran’ny Filoha Nasionaly io ho fanajana ny fitsipika mifehy ny Antoko”. Nanamafy koa izy ireo fa “tsy afaka misaraka mihitsy ny Tiako I Madagasikara izay maro an’isa sy ny Ankolafy Ravalomanana”.
Tao amin’ny Carlton no nanaovan’ny Vondron’ny Parlemantera Tiako I Madagasikara ity fanambarana ity. Nitarika azy ireo ny filohan’ny kaongresy araka ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, depiote Tiako I Madagasikara voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo sady kestoran’ny Antenimieram-pirenena farany teo, Mamy Rakotoarivelo. Ity farany rahateo, araka ny taratasy fanomezan-dalana nosoniavin’ny filoha Ravalomanana ny 07 aogositra 2010 no solontena ofisialin’ny antoko, ankoatra an’i Fetison Rakoto Andrianirina, amina dinika famahana ny krizy. Ankoatra ny Parlemantera dia mpikambana Tiako I Madagasikara maro ireo mpikambana Tiako I Madagasikara avy eto Analamanga tonga tao. Faritra maro ihany koa no nahatonga solontena. Tamin’izay no nanamafisan’izy ireo fa “tsy misy afa tsy ny taratasy voasonian’ny Filoha Nasionaly Randrianasandratriniony Yvan sy ny Ray Mpanorina ny Antoko, Atoa Marc Ravalomanana, araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo ny 07 aogositra sy ny 01 septambra 2010 no mamatotra ny Parlemantera sy ny Antoko Tiako I Madagasikara”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.