Politique

Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana no filohany


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Nisedra olana ny antoko Tiako i Madagasikara, hatramin’ny nisian’ny krizy teto Madagasikara.

Nangingina tsy nandrenesam-peo firy ity antoko naorin’ny filoha Ravalomanana ity teo aloha teo. Betsaka ny mety ho anton’izany. Teo, ohatra, ny fanenjehana natao ireo mpikambana ka voatery niala an-tanindrazana ny sasany, tao koa anefa ny fivadihana palitao nataon’ireo mpikambana sasany, eny fa na ireo nanana andraikitra teo anivon’ny birao politika aza. Ankehitriny dia vitsy sisa no tavela tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao politika nasionaly, toy ny solombavambahoaka Raharinaivo Andrianatoandro, Rina Andriamandavy VII, Kembazanany Yannick, Dina Fotomanantena. Ao anatin’ny fanarenana tantetraka ankehitriny ny antoko, araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas.

An-dalam-pandinihina ny fomba hitondrana ny antoko izy ireo, raha ny vaovao ihany. Tsy maty ny antoko, hoy Zafilahy. «Ny filoha Marc Ravalomanana dia handray an-tanana feno ny antoko», hoy ihany izy. Efa azony atao tsara ny miandraikitra ity antoko ity amin’izao fotoana izao ary naneho ny fahavonony amin’izany Ravalomanana, araka ny fanazavana ihany. Momba ny fihaonana eny Ivato karakarain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia nilaza ity mpikambana eo anivon’ny Kaongresy ity fa nahazo fanasana tokoa ny antoko Tiako i Madagasikara, saingy efa mazava ny toromarika sy ny lalana fa tsy hanatrika izany ny antoko, izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Madagasikara.

Fanadalana olona ihany izany, satria fomba hanemorana ahafahan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mitantana maharitra izany. Momba ny fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy efatra hatao any Addis Abeba ny 8 ka hatramin’ny 10 martsa ho avy izao kosa indray, dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa tokony tsy hisy resaka betsaka intsony amin’io fa ny fikatsahana izay hampiharana ny sata no kendrena. Tsy hokitihana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba satria izay voasonia dia voasonia, hoy ihany Zafilahy Stanilas.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT