Politique

Tiako I Madagasikara Manetsika ny fototra


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Manomboka manetsika ireo mpikambana fototra ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) taorian’ny nivoahan’ny fanambarana nataon’ny SADC tatsy Sandton ny 12 jona teo, milaza fa dia miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha mpanorina ny TIM, ary mandray anjara malalaka amin’ny raharaha politika eto.

 . Nivory ireo mpikambana eny Alasora omaly. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra io fivoriana io ny filoha Marc Ravalomanana nanamafisany fa tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara ny tenany ary vonona hiatrika izay fifidianana mandeha ao. Nanentana ireo mpiara-dia aminy hiray hina izy, manoloana ny teti-dratsy sy ny laingalainga ataon’ny FAT. Ankoatra izay dia nambaran’ny filoha Ravalomanana fa tafaresaka tamin’ny filohan’ny SADC ny tenany ary nilaza ny mpitarika ny SADC fa gaga ny amin’ny taratasy nataon’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Salomao tamin’ny 17 jona 2011, mametraka fepetra amin’ny fodiany an-tanindrazana. Nambarany koa fa nandefa iraka any amin’ny  fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny tenany hilaza ny tena zava-misy  marina mitranga eto Madagasikara. “Tsy misy demokrasia, fampitahorana no manjaka eto”, hoy izy. Nilaza ihany koa i Dada fa «tsy hanaiky io fitondrana FAT io mihitsy ny Amerikanina, ny Vondrona Eoropeanina». Nanamarika koa ny filoha fa manjaka loatra ny kolikoly eto Madagasikara, hany ka nody ny masoivoho sasany toy ny  Norvezianina.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT