Sioka tokana ihany dia vory ary na aiza na aiza toerana na amin’ny fotoana inona ifampiantsoana dia tonga hatrany.
Izay no mahabango ny fifampitondrana anaty eo anivon’ny Tiako i Madagasikara (TIM), antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia nifanotrona tamin’ny TIM Antananarivo Renivohitra teny amin’ny Krypton Ambohimalaza ny rehetra. Feno hipoka ny trano. Asa moa na izay ilay 300 ambaran-dRajoelina fa hany mpomba an-dRavalomanana, nefa mbola Antananarivo Renivohitra eto no mihetsika, manambatra hery hanatrarana ny tanjona dia ny famerenana an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny fiatrehana izay fifidianana rehetra mety hisy eo. Na izany aza, ity fihaonana teny Ambohimalaza ity dia manasongadina indray fa Antoko velona ny Tiako i Madagasikara.
Nanamafy izany rahateo Rtoa Rasendramiadana Clarisse, izay miara-mitantana vonjimaika ity rafitra miaraka amin’i Bernard Joseph sy Ramanantsoa mandra-pisian’ny Kongresy nasionalin’ny antoko na fanendrena hafa. Atoa Marc Ravalomanana, filoha mpanorina rahateo milaza fa handray an-tanana ny fitantanana ny antoko amin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.