Politique

Tiako I Madagasikara Hitantana indray ny firenena amin’ny 2018


  • Talata 21 Febroary 2017

Tontosa ny alahady 19 febroary 2017 ny fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 ho an’ny vehivavy Tiako I Madagasikara boriborintany faha-6. Nahatonga solontena avokoa ireo mpikambana avy amin’ny FOKOTIM 31 izay nanodidina ny 250.

Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo mpikambana avy amin’ny DISTIM notarihan’ny filohany Rafiliberasoa sy ny birao tanora TIM izay nandray toromarika momba ny fitsipiky ny antoko. Nampahafantarina nandritra ny fihaonana tao amin’ny tany malalaka misy ny sekretera jeneralin’ny antoko eo anivon’ny distrikan’Ambohimanarina ireo vina sy tetikasa hotontosain’ny vehivavy Tiako I Madagasikara ao anatin’ity boriborintany ity mandritra ny taona 2017. Misy amin’izy ireo rahateo no efa manomboka ny asa, araka ny fampitam-baovao. Nohamafisin’ny vehivavy TIM Ambohimanarina moa ny fahavononan’izy ireo ho lohalaharana hatrany amin’ny fandraisana andraikitra ka tanjona napetraky ny mpikambana tamin’izany ny hiverenan’ny antoko Tiako I Madagasikara indray hitantana ny firenena amin’ny 2018, hoy ny depioten’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT